Fiteny melaneziana

Ny fiteny melaneziana dia ireo fiteny ampiasain' ny teratany melaneziana, izay tsy mamorona vondrom-piteny misy ifandraisany fa fiteny amin' ny fianakaviam-piteny samihafa. Ny fitenenana hoe fiteny melaneziana dia efa tsy ampiasain' ny mpahay teny intsony noho izany antony izany. Nenti-nanondro ny fiteny aostrôneziana ampiasain' ny Melaneziana anefa ny hoe fiteny melaneziana, dia fiteny ao amin' ny fiteny ôseaniana, ny fiteny malaiô-pôlineziana atsinanana na malaiô-pôlineziana afovoany-atsinanana tsy idiran' ny fiteny pôlineziana sy ny fiteny mikrôneziana. Tamin' ny manodidina ny taona 1970 dia nosokajina ho isan' ny fiteny malaiô-pôlineziana atsinanana ireo fiteny melaneziana (isan' izany ny fiteny fijiana) sy ireo fiteny mikrôneziana ary ireo fiteny pôlineziana.

Ankehitriny dia fantatra fa ny fiteny melaneziana dia tsy misy fatoram-pihavanana: fiteny mifanakaiky fianakaviana izy ireo na mety ho tsy iray fianakaviana akory; lasa fomba fiteny fotsiny ihany ny hoe fiteny melaneziana, toy ny fampiasana ny hoe fiteny papoa.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy